Fividianana fanjaitra sy SSI: nisy farmasia nitaky “ordonnance”

Taitra ireo renim-pianakaviana nividy fanjaitra fanindronana sy sérum SSI fanadiovana oron’ny zaza teny amin’ny farmasia eto Anta­nanarivo, omaly, fa nitaky taratasy mazava avy any amin’ny mpitsabo manambara ny filana ireo fitaovana ireo ny mpivaro-panafody. Voatery niverina tany amin’ny mpitsabo mihitsy nanazava sy naka ilay taratasy izy ireo ka niteraka fahasorenana. Ny farmasia sasany nefa tsy nitaky io taratasy io fa nanome avy hatrany.
Samy naneho ny heviny teny amin’ny tambajotran-tserasera ny rehetra satria tsy nisy fanambarana mazava nivoaka avy amin’ny Hola­fitry ny farmasianina momba ity fepetra vaovao ity. Ilay fitaovana fanindronana mi­hitsy no tsy tiana hiparitaka raha tsy mazava fa ilaina amin’ny fitsaboana, vokatry ny resaka rôrô mahazo vahana ity, hoy ny fanehoan-kevitry ny maro. Fitaovana tena ilaina hanadiovana oron-jaza, indrindra amin’izao fotoana mampirongatra ny sery sy ny kohaka izao ireo ka izay no niteraka ny savorovoro.
Nilaza ny Holafitry ny farmasianina fa hamoaka fanambarana mazava momba ity fepetra ity ka samy miandry ny rehetra.

Vonjy

Partager sur: