Fonjan’Ambovombe : gadra folo saika handositra

Voafonja 10 nikasa handositra tao amin’ny fonjan’ Ambo­vombe, omaly tolakandro. « Efa tafavoaka ny roa tamin’izy ireo », hoy ny fanazavan’ny kapiteny lehiben’ny vondron-tobim-paritra Ambo­vom­be. Nanapoaka basy ireo mpiandry fonja sy ny mpitandro filaminana mifanolo-bodirindrina amin’izy ireo. Vokany, voasambotra ary tafaverina am-ponja ireo roa nikasa handositra. “Niditra an-tsehatra tamin’ny fifehezana io raharaha io nanampy ireo mpiandry fonja izahay”, hoy ny zandary ao an-toerana. Niditra an-tsehatra koa ny polisy. Na izany aza, tsy nisy ny aina nafoy. Minitra vitsy taorian’ny tranga, niverina tamin’ny laoniny ny fandriampahalemana ao an-toerana. Voafehy avokoa ireo gadra ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: