Nolanian’ny solombavambahoaka nasiam-panovana sy fanitsiana, omaly zoma 12 mey, ny volavolan-dalàna laharana 005/2023, fanavaozana ny fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny tany.
Misy lohateny 14 ahitana andininy 434 ity volavolan-dalàna ity, ka novaina ny andininy miisa 41, nahitsin’ny solombavambahoaka nandritra ny asam-baomiera sy ny fivoriambe.
Anisan’ny niteraka ady hevitra ny fitsinjarana ny saram-panjakana sy ny tamberim-bidy. Tinapaka fa ho an’ ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (CTD) ny 2%, izany hoe, ho an’ny kaominina sy ny faritra. Ho an’ny fanjakana foibe kosa ny 3%.
Halefa any amin’ny Antenimierandoholona indray ity volavolan-dalàna ity. Raha lany ihany koa, mankany amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), hamoahana ny didy fampiharana.
Tsiahivina fa tamin’ny taona 2005 no nanavaozana ny lalàna mikasika ny harena an-kibon’ny tany farany. Maro ny fiovana sy ny olana tato ho ato, toy ny nampiatoana ny fanomezan-dalana, nisy orinasa tsy afaka niasa, na voatery nikatona. Tsy tonga ny mpampiasa vola vahiny vaovao. Anisan’ny toromariky ny mpamatsy vola iraisam-pirenena anefa ny hametrahana tontolo azo ampiasan’ny mpandraharaha vahiny vola eto Madagasikara, anisan’ny nahatonga izao fanavaozana izao indray.
Njaka A.