Ho valin’ny fangatahana…: ho vita tsy ho ela ny “Kianjan’ny hiragasy”

Mizotra tsara ny asa fananganana. Hanana fotodrafitrasa azy manokana amin’izay ireo mpanao hiragasy, rehefa vita ny kianja etsy Anosy.

Aman-taonany no nangataka kianja manokana ho azy ireo eto Antananarivo ny mpanao hiragasy. Nisy ny fampanantenana nataon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, ka raikitra fa aorina ao ambadiky ny Tranombokim-pirenena ny “Kianjan’ny hiragasy”. Nitsidika ny fizotry ny asa, omaly, ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana. Fantatra nandritra izany fa afaka herinandro vitsy dia ho tontosa soa aman-tsara izany fotodrafitrasa izany. Mizotra tsara ny asa, ary manaraka ny fenitra handrasana.
Kianja miendrika boribory, hodidinin’ny toeran’ny mpijery izy ity. Sambany teo amin’ny tantaran’ny hiragasy no hanana kianja manokana toa izany. Hisy ihany koa ao ny biraon’ny Federasion’ny mpanao hiragasy, ankoatra ny trano fiomanan’ireo mpanakanto sy ny toeram-pivoahana ary ny tsenakely. Ho maimaimpoana hoan’ireo mpanao hiragasy ny fampiasana azy, fa hisy kosa ny fandraisana anjara amin’ny fikojakojana ny toerana. Tsiahivina fa efa nanomboka ny taona 2019 no nikarakara ny antotan-taratasy hampidirana ny hiragasy ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona tany amin’ny foiben’ny Unesco, ny minisitera.

Zo ny Aina

Partager sur: