Mandohalika foana !

Manamarika ny faha-51 taona nisian’ny tolona 13 mey 1972 ny Ma­la­gasy, anio. Tolona izay niarahan’ny rehetra nahalala fa niafara tamin’ ny fanonganana ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana, Tsiranana Philibert. Tolona nanehoan’ny Malagasy fa vanim-potoana tsy maintsy hijoroan’ny Malagasy amin’ny maha izy azy. Fotoana nandrehitra indray ny fitiavan-tanindrazana taorian’ny nahazoana ny «sarintsarim-pahaleovantena», izay mbola teo ambany vahohon’ny mpanjanaka. Tsy nahagaga raha nisy ireny fanagasiana faobe ireny taoriana kely.
Nivadika ny rasa, nanomboka ny fizakantena, izay nentanin’ny hambompo. Niezaka ny mpitondra tamin’izany fotoana nametraka ny dian-tanany ho mpitondra fampandrosoana. Maro ny fanamby napetraka, betsaka ny tanjona noheverina fa hotratrarina. Nifama­hofaho ny raharaha politika, saingy samy nandrangaranga izay nam­pia­vaka azy ny mpitondra nifandimby, toa ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel (1972-1975), sy ny kolonely Ratsimandrava Richard ( febroary 1975), ary ny jeneraly Andriamahazo Gilles (Febroary-Jona 1975). Ireto farany izay nandalo dia niserana. Nitondra izay anjara biriky kely vitany ho an’ny tanindrazana izy ireo.
Tsy azo hodian-tsy hita ny marika napetraky ny « amiraly mena », nanorina ny Repoblika faharoa. Nandray ny fahefana rehefa voafidy hi­ton­dra an’i Madagasikara ny 15 jona 1975, ny amiraly Ratsiraka Didier. Izay nanana drafi-pampandrosoana maro. Filoha nandritra ny 23 taona (1975-1993,1997-2001), nilokaloka ireo karazana fahavitan­tena isan-karazany, izay narafiny tao anatin’ny « Boky mena ». Indrisy, mandrak’ izao aza mbola mahantra sy anaty fahantrana lalina ny firenena.
Tahaka izany ny rain’ny Repoblika fahatelo, ny profesora Zafy Albert, nitondra nandritra ny fito taona (1991-1993 nitondra ny HAE, 1993-1996 filoha voafidy). Niezaka ny nametraka fitondrana malalaka sy nandala ny fahamarinana. Kinanjo, voajabaky ny « henjana » tany anaty fanonganana tampoka. Tsy afaka nanatanteraka ny vinany. Nandim­by azy teo ny filoham-panjakana Ratsirahonana Norbert (1996-1997), saingy tsy nisy zava-bita. Lany tamin’ny fanomanana fifidiana­na, izay namerina ny amiraly Ratsiraka Didier, tamin’ny toerany.
Nitondra tsirim-panantenana ho an’ny Malagasy ny fiovana nanomboka ny taona 2002 nandraisan’Atoa Ravalomanana Marc ny fitondrana (2002-2009). Namono lolo ny Madagasikara Amperinasa na ny MAP. Niavaka tamin’ny lalana sy ny lalàna izy. Betsaka no tsy faly tamin’ny fomba fiasany. Nifanindran-dalana tamin’izany ny valifaty politikan’ireo mpifandrina taminy. Niongana ny taona 2009, noromba­hin-dRajoleina Andry ny anaram-boninahitra. Nitantana tetezamita nandritra ny efa-taona izy (2009-2014). Mbola filoha am-perinasa mandraka izao. Mampiavaka azy ny Velirano.
Fisandratana 2030, izay kosa ny drafi-pampandrosoana nentin’ny filoha Rajaonarimampianina Hery. Nampiavaka azy, ny fahavitany ny fotoam-pitondrana demokratika. Filoha am-perinasa resy tamim-boninahitra, tsy nanisy rahoraho. Mbola tany amin’ny laharana fahatelo aza, tsy nahazo famerenam-bola.
Miandry fifidianana isika amin’ity taona ity. Tsy mbola voafaritra mazava ny daty. Tsy hay na hisy na tsia akory aza izany. Toa ny vahiny no tompon’ny teny farany. Mbola Madagasikara, mandohalika mandrak’izao no misy !

r.r

Partager sur: