“Raharaha Raissa ” – Minisitry ny Fitsarana: “Mbola anatin’ny tsiambaratelo ny fanadihadiana”

Tsy mbola nifarana manoloana ny resabe. Nitondra fanazavana indray momba ireo nambaran-dRazaivola Raissa farany teo ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy, omaly, tetsy Anosy.

Notsiahiviny tamin’izany, misy efa ela ny departemanta mandray ny fitarainana tahaka ireny eo anivon’ny fitsarana. “Efa mi­sokatra ny fanadihadiana saingy mbola ao anatin’ny tsiambaratelo tanteraka izany. Voa­fetran’ ny lalàna isika ka tsy mbola azo avoaka ampahibemaso izany”, hoy izy. Nante­riny fa tsy very zo Razaivola Raissa momba ireo nambarany na voam­panga aza ka afaka manao ny fitarainana. Tsy ma­nampin-tsofina ny fitsarana fa efa misy fanadihadiana ho­sokafana ka ho fantatra eo ihany izany, araka ny nambarany. Mandalo dingana anefa izany ka anisan’izany ny fitohizany amin’ny fitsirihana. Tsy midika koa anefa izany fa mi­tombina ny voalazany na koa holavina. “Mandray fanapahan-kevitra ny fitsarana raha marina ny nambarany ary mandroso indray ny fanadihadiana avy eo. Tonga hatrany amin’ny Filankevitra ambon’ny mpitsara (CSM) ny fiakaran’ny raharaha amin’ny alalan”ny filankevi-pitsipi-pifehezana (Codis)”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, notsindriny fa afaka miara-misalahy amin’izany koa ny eo anivon’ny Bianco sy ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac).
Ankoatra izany, nambarany fa manana zo tanteraka tahaka ny olon-drehetra koa Razaivola Raissa hampiakatra ny raharaha na koa tonga hatrany amin’ny fangatahana fandravana didy raha tsy mahafa-po azy ny didim-pitsarana.
Nanterin’ny minisitry ny Fitsarana fa efa fanao sy ho an’ny rehetra izany. Tsy amin’ity raharaha iray ity ihany izany zo sy dingana samihafa izany, araka ny nambarany hatrany.
Voasazy hiasa an-terivozona fito taona…

Tsiahivina fa natao ny 4 mey teo ny fitsarana an-dRa­zaivola Raissa ka nahavoasazy azy hiasa an-terivozona fito taona. Anisan’ny vesatra niampangana azy ny fikasana hamono olona. Tsy nipoitra niatrika ny fitsarana ireo vavolombe­lona telo avy amin’ireo mpi­tory, efa nanatsoaka ny fitoriany.
Anisan’ny nampitabataba azy teo am-pivoahana ny fitsarana ny fitanisana ny mpitondra sy ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsa­rana, ny sekretera jeneraly ho nanao kolikoly sy fanodinkodinana ny “Raharaham-bary, 7 5000 t”.
Araka izany, andrasana ny ho tohin’izao fanehoan-kevitry ny minisitra izao. Mba tsy ho very an-javony na ho maty momoka tahaka ireo raharaha hafa tany aloha ity momba an-dRazaivola Raissa ity.

Synèse R.

Partager sur: