Sakafo andavanandro : tsy nahitana “formol” ireo hena notiliana

Nanao fitiliana ireo hena tany amina mpivaro-kena sa­mihafa eto an-drenivohitra ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka. Nilaza ny talen’ny rafitra mpanara-maso ara-pahasalamana ny hatsaran’ny sakafo (ACSQDA) eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka, ny dokotera Razafinarivo Andrianjaka, omaly, tetsy Ambohidahy fa tsy nahitana “formol” ireo hena natao fitiliana. Nifanotrona namoaka ny valin’ny fitiliana natao tamin’ireo singa nalaina teny amina mpivaro-kena tokoa mantsy ny ACSQDA, ny minisitera misahana ny varotra sy ny fanjifana (MICC) ary ny Codex Alimentarius. Araka izany, nanentana ny tomponandraikitra hanohy ny ezaka sy hanamafy ny fanaraha-maso ny filohan’ny komity nasionaly ny Codex Alimentarus, ny dokotera Ramahatafandry Ilo Tsi­mok’Haja. Notsindriany tamin’izay mba tsy ho alaim-panahy hanandrankandrana aorian’izao filazana izao ireo mpivaro-kena. Ankoatra izay, na­nentana ny mpanjifa ihany koa ity tomponandraikitra ity mba hividy hena madio izay misy ny fitom­boky ny mpanara-maso izy ireo. Nanambara ny talen’ny fiarovana ny mpanjifa eo anivon’ny minisitera misahana ny Varotra sy ny fanjifana fa atolotra ny fitsarana ireo minia manisy “formol” ny hena ami­dy. Afaka miantso ny laharana maitso 0336581234 ireo rehetra mahita tranga mampiahiahy.

Henintsoa H.

Partager sur: