Judo-Eran-tany
Anjaran-dRamiandrisoa Haingoniaina indray no hiakatra an-tsehatra anio, ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany taranja Judo, sokajy Seniors. Hifaninana eo amin’ny sokajin-danja mihoatra ny 78 kg izy, manoloana ilay teratany Koreanina, laharana faha-82 maneran-tany, i Park Sayetbyeol. Tsiahivina fa eo amin’ny laharana faha-67 maneran-tany no misy an’i Haingo ary mitodika any aminy ny rehetra anio. Any aminy ny fanantenana raha toa efa nihintsana teo amin’ny fihodinana voalohany, ny 11 mey teo, Rasoanaivo Razafy Laura.
Basikety-Ankoay 3×3 Lehilahy
Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny ekipa malagasy Ankoay lehilahy, mandritra ny fiofanana hataon’izy ireo any Serbie, manomboka ny 15 mey izao. Fiofanana hanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany, basikety 3×3, hatao any Autriche. Manao fanazarantena maraina sy hariva ireo mpilalao miaraka amin’ny mpanazatra. Hisy ny “tournoi” hatao ny 20 mey sy ny 27 mey, hifanandrinana amin’ny ekipa sangany ao Serbie. Ny 28 mey kosa ny delegasiona malagasy no hihazo an’i Autriche.
Nangonon’i Mi.Raz