Tetikasa Mionjo: nisitraka fitaovana sy vola ireo kaominina miisa 59

Natao tany Taolagnaro, omaly, ny fihaonan’ny komity nasionaly mpitarika ny teti­kasa Mionjo. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin. Nam­barany, miroso izany tetikasa izany ka anisan’izany ny nisitrahan’ireo kaominina miisa 59 fanampiana 12 mi­liara Ar mahery. Anisan’ny nahazo izany ny any Atsimo Andrefana sy Anosy ary Androy. “Natao izao fanampiana izao mba hanavaozana sy hananganana fotodrafitrasa maro eny ifotony”, hoy izy. Tafiditra ao anatin’izany ny fampitaovana moto sy bisi­kileta ary fitaovana informatika sy fitaovam-pifandraisana, ho an’ireo kaominina ireo. Eo koa ny
fampiofanana ireo tomponandraikitra eny anivon’ny kaominina momba ny fitantanan-draharaha. Manampy izany ny fampitaovana eo amin’ny fambolena sy fizarana masomboly ho an’ireo tokantrano miisa 50 000 ary koa fanohanana azy ireo eo amin’ny vola. Nivoitra tamin’ny fihaonana fa efa hita taratra avokoa ny firosoan’ny asa amin’ireo sehatra maro iasan’ny tetikasa Mionjo.

Synèse R.

Partager sur: