Tsiahin’ny tantara : ho etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ny “Hetsika 72”

Hametraka fehezam-bo­ninkazo, etsy amin’ny kian­jan’ny 13 mey, anio, ny fikambanana “Hetsika 72”. Nam­baran’ireo mpitarika, Rasoloa­rijao Perle sy Rainidina ary koa Andrianaivojaona Fani­rison fa efa nahazoana alalana izao hetsika, anio, izao. No­tsiahivin’izy ireo amin’izao faha-52 taon’ny “Raharaha 72” izao fa mazava ny foto-kevi-dehibe nijoroana ta­min’izany. “Notakina ny fanagasiana ny fampianarana sy ny famoahana izany. Eo koa ny fitakiana ny hamoahana ireo mpianatra nosamborina…”, hoy izy ireo. Voatsiahy koa ny olan’ireo mpianatra ho mpitsabo tetsy Befelatanana narahin’ny fitakiana nataon’ireo sendika maromaro. No­hitsin’izy ireo fa tsy fanapotehana firenena ny tolona tamin’izany. “Tsy fanekena ny fitantanan’ny Frantsay ireo sehatra rehetra”, hoy ihany izy ireo. Nanterin’ny “Hetsika 72” fa mbola mitohy ny tolona hatramin’izao.

Synèse R.

Partager sur: