“Noho ny disadisa misy eto Madagasikara, mahatsapa izahay fa potika ny firenena, mahatsapa izahay fa misy ny tsimatimanota. Eo koa ireo mpiaro olon-dratsy mpamotika firenena sy mpamono olona. Noho izany, nanapa-kevitra izahay fa hatsangana ny vovonana miady amin’ny tsimatimanota eto Madagasikara”, hoy ny administratera sivily, Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly. Nohitsiny aza ny fanentanana hiantsoana ny olon-drehetra satria marobe ireo madio fo fa matahotra fitsarana amin’ny facebook sy tsy te ho diso amin’ny olona dia tsy mahasahy mijoro toy izao ataony izao. “Hampisehoanay manomboka izao fa misy olo-marina eto. Misy olona tsy azo ampitahorina sy madio tanana eto. Misy olona tsy matahotra hiady amin’ny rariny sy ny hitsiny, hiady amin’ny mafia”, hoy hatrany izy. Tsy ny mpanohitra ihany no misy mafia fa misy mpanohitra tsara fanahy koa. Misy koa ireo olona ao anaty fitondrana mitavana fotsiny ka izany no mahamaika azy hiditra ao anatina fikambanana politika hangalatra harem-pirenena, handrava tanin’olona etsy sy eroa.
Miantso ny filohan’ny Repoblika izy ireo…
“Manomboka izao, hijoro izahay na iza hanohitra anay”, araka ny fanazavan’ireto vovonana ireto hatrany. “Tsy avelanay hanjaka eto intsony ny tsimatimanota”, hoy i Paolo. Nanao antso amin’ny filohan’ny Repoblika izy ireo mba hiteny satria izy rahateo no efa niteny fa ireo olona manao zavatra tsy ara-drariny, manodinkodina ny harem-pirenena, mbola manao asana mafia dia izy mihitsy no hanasazy sy hisambotra azy. Marobe ny vaovao mivoaka amin’ny tambajotran-tserasera “facebook” ka nanaovan’ireto vovonana ireto fisaorana manokana saingy tsy ampy anefa izany fa mila hatambatra ny hery hiarovana ny firenentsika. “Ho potika ny firenena, ho potika ny taranaka raha ireny olona manao zavatra tsy ara-drariny ireny no mbola arovantsika eto”, hoy izy. Noho izany, mitsangana manomboka izao ity Vovonana ity.
Jean Claude