Manodidina ny 40 taona eo ho eo ny salan-taonan’ireo mpijery. Porofo izany fa efa mpankafy ny tarika Tempo Gaigy tany am-boalohany ireto tonga nameno an’Antsahamanitra, omaly. Azo lazaina fa nahatana ny mpankafy tany am-boalohany ny tarika Tempo Gaigy na dia nisy fotoana elaela aza tsy nahitana azy an-tsehatra.
Tsy nisy very ny endri-pampisehoana nahazatra ny mpankafy hatramin’izay. Nirindra tsara ny soradihy, na dia efa tsapa kely ihany aza ny vesatry ny taona ho an’i Faniry, Pôpôly, Lova ary i Dina. Tsy nampaninona ireo mpijery ny fisian’ny hira mivalana tsindraindray, satria niaraha-nahita fa tsy mora ilay sady mandihy no mihira. Teo rahateo ireo mpanao feo lafika efatra sy ireo mpitendry nanarona izany.
Tsy nisy hira iray tsy nampihoraka ny mpankafy. Mamerina azy ireo tantara tany amin’ny 20 taona lasa avokoa ny hira rehetra nalahatra. Ry “Ramose tatanta”, “Izany foana”, “Mbola tiako ianao”, “Mila anao foana”, sns, tsy nisy latsaka ny tonony tamin’ireo mpankafy.
Nanaitra kely ireo mpijery ny nampidiran’ny tarika ny tapany faharoa. Nanao endrika mpanao rock i Faniry, ary nataony ilay hira “Hiezaka hanadino anao”. Hira noforoniny ihany, fa nomeny ny Tif à Tif . Tsy nijanona teo fa nifandimby ireo hira nahanfatarana ny Tif à Tif, toa ny “Sipasipako” sy ny “Mahazo mandeha”, hira nampalaza ny Tif à Tif, avy eo niverenan’i Jessy sy i Chriscy natao! Mazava loatra ny hafatra sy ny iantefany, na ho an’ireo tsy maharaka ny tantara aza….
Anisan’ireo indray nihira nahazo ny fon’ny mpijery koa ry Krutambull sy ny “Fitiavana mampitogaigy”. Be loatra kosa ka tsy nahasarika ny hiran’i Twoki. Noho izy mbola mpanakanto taty aoriana angamba…
Zo ny Aina