Ady amin’ny lefan-kozatra: hanomboka rahampitso ny fanaovam-baksiny

Hanomboka rahampitso ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina polio na lefakozatra, ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona. Tantera­hina manerana ny Nosy izany ary haharitra 4 andro. Hidina ifotony, hitety fokontany sy isan-tokantrano ny mpanao vaksiny. Afaka misitraka izany ny zaza latsaky ny 5 taona rehetra. Manodidina ny 5 tapitrisa ireo zaza kendrena ho vita vaksiny fanefitry ny lefakozatra amin’ity hetsika manokana ity.
Anisan’ny aretina azo amin’ny diky miparitaka na ny fangerena ankalamanjana ny lefakozatra. Sady mampalemy tampoka no sarotra avotana ny zaza raha tonga tonga amin’izay. Azo sorohana ny aretina, amin’ny fanajana ny fihetsika ara-pahadiovana rehetra. Fihe­tsika fototra, ilana fahazarana ny fanasana tanana matetika sy fampiasana kabone. Tena manan-danja, tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fanaovam-baksiny hiarovana amin’ny aretina.
Mifanindran-dalana amin’ny hetsika ara-pahasalamana ny ady amin’ny tay miparitaka izay ady marolafy hifarimbonan’ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Rano. Tafi­ditra tsy nahy any am-bava ny tay, entin’ny lalitra. Torak’ izany ny entin’ny tanana mi­vantana ka mitarika aretina. Torak’izany ny rano sy sakafo tsy voadio. Nametraka tobim-pahasalamana sakaizan’ny rano, fahadiovana sy fidiovana ny minisitera mba ho modely sy iarovana amin’ny tay miparitaka.

Tatiana A

Partager sur: