Ankazoabo Atsimo : ankizy varira avotra

Avotra soa aman-tsara ny ain’ilay ankizy varira 11 taona nalain’ny dahalo an-keriny, tao Ankazoabo Atsi­mo, niaraka tamin’ny omby. Tafaverina teo anivon’ny ankohonany, afakomaly, izy. Tafaverina amin’ny tompony koa ireo omby nalain’ireo dahalo tao Bealanana, Toliara II, rehefa natao ny fanarahan-dia nandritra ny iray andro. Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny fokonolona sy ny polisy tamin’ny fanarahan-dia, tsy lasa lavitra, tratra ireto malaso. Voalaza fa nisy ny fifandonana tamin’ireo dahalo, nisy ireo voatifitra saingy nentin’ny namany nitsoaka.

Jean Claude

Partager sur: