Nifarana ny sabotsy, teny amin’ny Ivontoerana Arrupe, Faravohitra ny fanamarihana ny telo andron’ny sosialy, nokarakarain’ny sampam-pamonjena sosialy sy ekolojika. Andro naompana tamin’ny lohahevitra :” fifidianana, fandriampahalemana sy filaminana eto Madagasikara”. Fampielezan-kevitra feno fanaratsiana, fankahalana, herisetra no zava-misy eto amintsika, raha ny fandinihana nataon’izy ireo sy antony nisafidianana ny lohahevitra.
Tokony hifanantona, hifampiresaka, sy hifanaja ary hifandefitra ny rehetra izay mahatsapa tomponandraikitra amin’ny fotoam- pifidianana, raha ny tatitra navoakan’izy ireo ny sabotsy teo. “Tokony hamafisina dieny izao ny lalàna sy rafitra mba hisian’ny fifidianana mangarahara sy ankatoavin’ny rehetra”, hoy ny tomponandraikitra sosialy eo anivon’ny fikambanana,
Pr Mamy Wilson. Tanjona ny hisorohana ireo ady sy korontana mety hitranga mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana.
“Ilaina ny fifanomezan-tanan’ny rehetra amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, indrindra amin’ny fifidianana ho avy”, hoy ny mpikambana eo anivon’ny FFKM, Rakotoarivelo Mamy, raha naneho ny heviny. Nohamafisin’izy ireo fa azo andrefesana ny fivoaran’ny demokrasia eto amin’ny firenena ny fandraisan ‘ny olompirenen anjara amin’ny fifidianana. Miantefa amin’ny olompirenena tsirairay sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ny fehin-kevitra tapaka.
Mino (mpianatra asa)