Filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery: “Tsy misisika hanao tetezamita ny antoko HVM”

Namelabelatra ny “Fisandratana 2030”, teny Andraharo, ny avy amin’ny HVM sy ireo tanora miara-dia, tamin’ny sabotsy. Nanambara ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny mpanorina ny antoko, Rajaonarimampianina Hery.

“Tsy misisika hanao tetezamita izahay. Tsy tongatonga ho azy ny resaka. Lalan-kevitra hikaroham-bahaolana izany noho ny fahantrana sy ny ahiahy amin’ny fifidianana”, hoy ny filoha teo aloha, Rajao­narimampianina Hery. Nan­teriny, anisan’ny antony mahatonga izany ny olana politika sy toekarena ary sosialy. “Mety ho vahaolana ny tetezamita”, hoy hatrany izy. “Ta­fiditra amin’ny fitadiavana hevitra ho amin’ny fitoniana sy hampandrosoana ny firenena izany”, araka ny nambarany hatrany. Nahitsy ny filazany amin’ny mety ho fionganam-panjakana hiseho eto amin’ny firenena, fa tsy fanonganam-panjakana. “Mety ny fanjakana ihany no ao ambadik’izany. Mitady hevitra sy mikatsaka ny fitondrana tetezamita noho ny fahasahiranana samihafa, in­drindra ny eo amin’ny vola.”, hoy izy, nanohy ny fanehoan-keviny.

Tsy manohitra ny UE
Nitondra ny heviny koa izy momba ny nambaran’ny masoivohon’ny Vondrona Eo­ropeanina (UE) amin’ny fanohanana hirosoana amin’ny tetezamita. Tsy manohitra izany ny HVM, izay mihevitra fa ny fahitan’ny vahiny ny fihemoran’ny demokrasia eto no mahatonga ilay fomba fijery. “Mazava anefa ny fotokevitry ny UE amin’ny fanajana ny demokrasia sy ny zo maha olona ka miteny izy ireo izao satria tsy mipetraka izany. Mitotongana rahateo koa ny zava-misy rehetra eto amintsika”, hoy ihany izy.
Notsiahivin’ny filoha teo aloha, anisan’ny nitondra ny fampihavanam-pirenena ny fitondrana notarihiny, izay nampihaona ireo filoha rehetra, ny desambra 2014. “Nila­zana tamin’izany fa samy tompon’andraikitra amin’ny tsy mety eto amin’ny firenena izahay rehetra. Tokony iainana isan’andro ny fampihavanana, tokony ho hita taratra”, hoy izy namarana ny fanehoan-keviny.

Synèse R.

Partager sur: