Fivezivezen’ny sarety: misy toerana tsy azo aleha, handrindrana ny fifamoivoizana

Voararan’ny lalàna mihitsy ! Tsy azon’ny sarety ivezivezena ny ampahan-dalana sasantsasany eto Antananarivo. Mila hajaina izany handrindrana ny fifamoivoizana.

Nampahatsiahy ny kaominina Antana­narivo Renivohitra mahakasika ny fitsipika mifehy ny fivezivezen’ny sarety eto amin’ny faritra Antananarivo. Voafa­ritry ny didim-pitondrana laharana faha 1913-MID/ PREF.POL, tamin’ny 31 mey 2019, fa voarara ny fifamoivoizan’ny sarety amin’ny ora rehetra amin’ireo toerana maromaro, toy ny eny Anta­ninare­nina sy ny manodidina, ny eny Analakely amin’ny araben’ny fahaleovantena. Torak’izany ny eny Faravo­hitra manoloana ny Jirama, Lycée Jules Ferry Annexe, FJKM Tranovato Faravo­hitra ary Mangarivotra.
Tsy azo ivezivezen’ny sarety ihany koa eny Antani­mena manoloana ny station Shell, Supreme Center, Lil Optic, Ambodivona. Voaka­si­k’izany ny eny Ankadifo­tsy, toy ny eny amin’ny SFX Ambany. Ny eny Ambohija­to­vo amin’ny lalana Tsenan’ Ambo­hijatovo, minisiteran’ny Mponina, FJKM Amba­tona­kanga, Planète.
Efa voafetra ihany koa ny ora ivezivezen’ny sarety amin’ny toerana azon’izy ireo aleha. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora atoandro; amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora tolakandro.
Miteraka fitohanan’ny fifamovoizan’ny fiara ny fivezivezen’ny sarety ao anatin’ny ora maha betsaka ny fivoahan’ny olona eto an-dRenivo­hitra. Manaporofo izany ny fitohanana matetika miseho anaty tanàna, toy ny eny isotry sy Andavamamba izay falehan’izy ireo mitatitra entana.
Mandray ny andraikiny ireo polisy mandrindra ny fifamoivoizana raha mahita fandikan-dalana ataon’ireo mpitondra sarety amin’ny lalana efa voarara na ivelan’ny ora voatokana.
Tsy mahafehy ny lalànan’ny fifamoivoizana ihany koa ny ankamaroan’ireo mpitondra sarety ka mitera-doza ho an’ny hafa matetika.

Tatiana A

Partager sur: