Nisy fotoana, voarara ny fividianana fitaovam-panindronana na “séringue” teny amin’ny fivarotam-panafody sasany teto Antananarivo, raha tsy misy taratasy avy amin’ny dokotera (ordannance). Nampimenomenona sy niteraka fahasorenana tamin’ny mpanjifa sasany izany. Manoloana izany, nanambara ny holafitry ny farmasianina eto Madagasikara, afakomaly, fa malalaka ny fividianana izany.
Voalazany fa tsy tomponandraikitra sy tsy nanana fahefana hilaza vaovao tamin’ny mpanao gazety no nanely izany. “Hany ka nahatonga ny savorovoro sy ny fandraisan’ny mpiasan’ny farmasia fanapahan-kevitra toy izany. Fanapahan-kevitra samirery, tsy nifanaraka amin’ny fomba fiasan’ny holafitry ny farmasianina ny zava-misy toy ireny”, raha araka ny fanambaran’izy ireo ihany. “Anjaran’ny mpivarotra fanafody ny mamantatra raha ampiasaina hikarakarana fanafody sy enti-mitsabo ny fitaovam-pitsindronana, izay vidin’ny olona.”, hoy hatrany ny holafitra.
Tanjona ny hisorohana ny fampiasan’ny olona ireny fitaovana ireny amin’ny zavatra hafa. Misy mampiasa amin’ny fitsindronana zava-mahadomelina ihany koa ny fitaovam-panimondrana, raha ny fantatra.
MIno (mpianatra asa)