Halatra omby : lavon’ny bala i Romain, dahalo raindahiny

Raikitra ny poa-basy ka maty i Romain, lehiben’ny dahalo tao Tsimanirirano, kaominina Mahatsinjo, RN4, distrika Maevatanana, ny 14 mey teo. Nitondra omby halatra efatra ny dahalo. Nifanehatra tamin’izy ireo tampoka ny zandary nanao fisafoana. Raikitra ny fifandonana. Vokany, dahalo roa voatifitra. Namoy ny ainy i Romain. Ity farany izay nokarohina hatry ny ela tany Morarano Chrome, noho ny tranga fakana an-keriny, ny volana marsa. Nentin’ny namany nitsoaka niaraka tamin’izy ireo kosa ny dahalo iray naratra. Efa ikoizana amin’ny halatra omby tao amin’ny faritra Mahatsinjo sy Ankazobe ireto dahalo ireto.

Roa hafa maty
Omby 96 no tafaverina raha toa ka maty voatifitra ny dahalo roa tao Amba­labao, fokontany Antsin­gi­litoka, kaominina Andramy, distrikan’i Morafenobe, ny 6 mey 2023 alina. Ana­tin’ny hetsika miaramila “Tsela­tra”, naharay fitarainana avy tamin’ny fokonolona ny Tafika. Nanampy azy ireo tamin’ny fana­rahan-dia. Tratra tamin’
ny alalan’ny vela-pandrika ireo olon-dratsy. Vaky ni­fam­pitifitra ny roa tonta. Dahalo roa maty tsy tra-drano.
Latsaka teny am-pelatanan’ny dahalo ny omby 96. Raha tsiahivina, natao hampandriana fahalemana ka natomboka eny amin’ireo ZDS voasokajy ho faritra mena ny “opération Tsela­tra”.

Tsiferana R.

Partager sur: