Herisetra ara-nofo: lehilahy iray tratra nanolana ankizivavy roa

Fanararaotana miharo he­risetra tsotr’izao! Tra-tehaka ny lehilahy iray na­nolana ankizivavy roa izay vao 4 sy 9 taona.
Tokony homena ny sazy henjana! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny sampandraharaham-paritry ny Fila­minam-bahoaka Diana tao Ambodivoanio, ny sabo­tsy teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy roa. Tonga na­metraka fitarainana teny amin’ny biraon’ny polisy Ambanja ny raim-pianakaviana iray nilaza fa niharan’ny fanolanana ny zanany vavy kely roa (4 taona sy 9 taona). Lehilahy iray 33 taona no ahiana ho nahavanon-doza izany tao an-trano fonenany ao Tanambao Mis­sion, sakelin-tanana Ambodi­voanio, teo anelanelan’ny 4 ka hatramin’ny 11 mey 2023. Tsy niandry ela ny polisy fa nandray ny andraikiny avy hatrany ka nidina tao amin’ny toerana voalaza fa misy ilay mpanolana.

Sarona tao an-trano
Tratra tao an-tranony tokoa izy tamin’io fotoana io. Nosamborina izy ka nentina nihazo ny biraon’ny polisy. Nilaza ity jiolahy ity nandritra ny famotorana azy fa efa indroa nanaovany ny filan-dratsiny tao ilay ankizivavy 9 taona raha indray mandeha kosa ilay zandriny 4 taona. Niaiky ny heloka vitany rahateo izy tao ana­tin’ny fanadihadiana azy. Niteraka hatezerana ho an’ny olona teo an-tanàna misy ilay nahavanon-doza izany ka tao ireo nangataka ny hanaovana fitsaram-bahoaka azy. Tsikaritra fa maivana loatra ny sazy azon’ireo mpanolan-jaza ka antony mampirongatra be izany satria rehefa vita ny saziny, miverina manao ny ataony indray ry zalahy.

Jean Claude

Partager sur: