Nanofana ireo mpilatsaka an-tsitrapo teto Analamanga ny Croix Rouge malagasy, hanamafy ny fahaiza-manaon’izy ireo rehefa misehatra eny anivon’ny fiarahamonina. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola miaraka amin’ny fanohanan’ny FICR sy ny Croix Rouge Allemande, Luxembourg ary Frantsay izany.
Bisikileta miisa 171 nozaraina ho an’ireo mpampianatra sy mpianatra mendrika tao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Avaradrano, ny herinandro teo. Nisy ny sivana natao nahafahana nifantina ireo mpianatra tena sangany sy mahay ary mendrika ny hisitraka izany.
Kaominina 39 ivelan’Antananarivo voakasiky ny fakan-kevitra mikasika ny fitohizan’ny drafi-pitarihana miompana amin’ny fahadiovana eny amin’ny kaominina manodidina an’Antananarivo. Nisy ny fihaonana tamin’ireo tomponandraikitr’ireo kaominina voakasika, nandraisan’ny tomponandraikitry ny fandaharanasa Piaa sy ny avy amin’ny Apipa anjara …