MMM tany Mahajanga : “Miketrika hijanona eo amin’ny fitondrana ny mpitondra”

Nitohy tany Mahajanga indray ny famelabelaran-kevitra sy fihainoana ny vahoaka tanterahin’ny antoko MMM ny sabotsy. Anisan’ny noresahin’izy ireo ny fiainam-pirenena.

“Mitady ny fomba rehetra hifikirana eo amin’ny toerana sy hanalavana ny fahefany ny mpitondra”, hoy ny filoha nasionaly, Andria­nainarivelo Hajo. Nanteriny fa tena nihemotra isika. Miha mahantra, araka ny antontanisa momba an’i Madagasikara. Mahatsapa ny MMM fa hotsarain’ny tantara raha mbola hamerina ny fitondrana ankehitriny.
Etsy andaniny, nambarany fa mikorontana ny zotram-pifidianana, izay ahafahana manamafy ny demokrasia. “Azo atao koa anefa ny ma­nao fifidianana tsy ahitana taratra ny demokrasia, tahaka izao ataontsika izao”, hoy izy. Notanisainy amin’izany ny sakantsakana amin’ny fanehoan-kevitra sy ny filazana ny marina ary ny tsy fahafahana mamory vahoaka ankalamanjana. Eo koa ny ramatahora, tsy ahitana taratra ny demokrasia.
Nambarany fa tokony ­ha­ravona avokoa izany mba hitovian’ny hevitry ny mpisehatra rehetra ahazoana fifidianana madio. “Tsy manana olana ny MMM ahatongavana amin’izany na ho amin’ny fikaonandoham-pirenena na Tetezamita na amin’ny alalan’ny fanovana lalàna”, hoy ihany izy. Nametraka ny ahiahiny ny antoko ny amin’ny ha­hatongavana amin’ny korontana, noho ny fihetsiky ny fitondrana ka hahatohina ny va­hoaka.
Ankoatra izany, mbola nomahamafisiny fa natao resabe fotsiny ny fitsinjaram-pahefana ka tsy mandroso ny firenena. Mitaky asa sy toe-tsaina vonona anefa ny fampiharana izany. Tsy mahagaga raha tsy voavaha ny olana fototra ka miantraika amin’ny andavanandron’ny vahoaka. Eo ny olan’ny fanabeazana sy ny fahasalamana. Ny tsy fandriampahalemana ary ny hoavin’ny tanora tena matroka.

Synèse R.

Partager sur: