Niady teo am-pisotroana toaka : Sefo fokontany, maty nifampitolona

Maty teo am-pifampitolomana tamin’ny namany ny lehiben’ny fokontany iray, ny zoma alina lasa teo, tany Evato Farafangana. Niara-nisotro izy mirahalahy. Tampoka nisy ny fifamaliana. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana, daka sy totohondry, ary fahafatesana izany. Nanatri-maso ny zava-nisy teo amin’izy roa tonta ny fokonolona, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Nisambotra ilay nahafaty ny sefo fokontany ny fokonolona. Tonga nitaraina sy nanao tatitra ary nitondra ilay lehilahy teo anivon’ny biraon’ny zandarimariam-pirenena tao Fara­fangana avy hatrany ny so­lontenan’izy ireo, taorian’izay. Nandray andraikitra ny raharaha ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana raha vao nandre ny tranga.
Raha tsiahivina, niara-nisotro toaka izy ireo afakomaly alina ka nitarika ny fifandirana, raha ny fitantaran’ny olona nanatri-maso. Raikitra teo ny fifamonoana narahina totohondry sy fi­fampitolomana. Vokany, tsy nahatsiaro tena ilay sefo fokontany ka nentin’ny fokonolona teny amin’ny CSBII, Evato. Tsy tana intsony ny ainy vantany vao tonga teny amin’ny hopitaly, raha ny fanazavana hatrany.
Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ny raharaha amin’izao fotoana izao. Hatolo­tra ny fitsarana kosa ny tohin’ny raharaha, raha ny fanazavan’ny teo anivon’ny zandary hatrany.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: