Avy hatrany dia niatrika ny lalao voalohany niaraka tamin’ny USS Tamponaise, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i La Réunion, Razafindrasata Tsito. Nifanandrina tamin’ny FC Rivière des Galets ry zareo? ny alahady lasa teo ka nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 4 no ho 1. Tompon-toerana i Tsito ary anisan’ny nahavita tolotra tsara iray ka nahafatesana ny baolina. Tsiahivina fa ny zoma lasa teo no nanainga nihazo an’ ity Nosy rahavavy ity ny tovolahy. Herintaona azo havaozina ny fifanarahany amin’ny USS Tamponaise.
Nanainga ny sabotsy lasa teo ary nihazo an’i Frantsa Rakotoasimbola Zakanirina (Nina), mpiandry tsatobin’ny Elgeco Plus sy ny Barea de Madagascar. Hosedraina mandritra ny herinandro ao amin’ny ekipan’ny Paris FC ny tovolahy. Tsiahivina fa taorian’ny fandalovan’i Ngoyi Granddi, teknisianina sady mpitily mpilalao avy amin’ity ekipa “Ligue 2” ao Frantsa ity, teto Madagasikara, ny volana marsa lasa teo, no nahitana izao fitsapana an’i Nina izao.
Nangonin’i Tompondaka