Manomboka amin’ny fomba ofisialy ny fanentanana ara-pahasalamana hoenti-miady amin’ny fihanaky ny aretina lefakozatra, eto Madagasikara. Hetsika tsy maintsy tanterahina, noho ny fiverenan’ity areti-mandoza ity. Niarahan’ny rehetra nahita, efa foana teto Madagasikara nandritra ny fotoana maharitra izany. Ankehitriny, mampihoron-koditra ny fisehoany sy ny mety ho taham-pahavoazan’ny zaza malagasy.
Tsy azo atao tandrevaka ny ady satria iaraha-miaina ny tontolo manodidina sy iainan’ny Malagasy eny anivon’ny fiarahamonina. Iaraha-mahalala fa ny loto tafiditra am-bava no rangory fototry ny afo, mpitondra ilay otrikaretina. Mampiteny ny moana anefa ny « havoretrana » misy etsy sy eroa. Izay toerana lalovana ka be mponina, milomano anaty fako sy rano mihandrona na amin’ny vanim-potoan’ny maintany aza. Tsy hay lazaina ny fangerena ankalamanjana, noho ny tsy fahampian’ny trano fivoahana.
Misy ny ezaka amin’ny fanadiovana faobe, ataon’ny tomponandraikitra, saingy tsy ampy izany. Miainga avy amin’ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano ny fitandroana izany. Tsy ny aretin’ny lefakozatra ihany no ho voasoroka fa aretina maro. Marina fa tsy ampy izany, tsy maintsy misy ny fanaovam-baksiny. Tsy tokony hatao fialokalofana, tsy hanaovana ny fitandremana manandrify izany.
Aleo misoroka, toy izay mitsabo ! Marina izany satria tsy hialam-bola ny fanaovam-baksiny sy ny asa fanadiovana ny tontolo honenana. Iza no tsy mikaikaika amin’ny vidim-panafody sy ny saran’ny fitsaboana? Vao manatona mpitsabo na maoderina, na mpitsabo nentim-paharazana, tsy misy latsaky ny 10000 hatramin’ny 30000 Ariary ny fizahana. Manginy fotsiny ny vidim-panafody. Tsy natao ho an’ny sahirana ny fidirana hopitaly, indrindra fa misy ny fandidiana tsy maintsy atao.
Sery vitan’ny anamalaho ve hamonoana vantotr’akoho ? hoy ny oha-pitenena malagasy. Mifono fahendrena lalina, mampita fahaizana mitsinjo lavitra. Manentana ny rehetra tsy hirobaroba, eny na misy aza ny hoenti-manana. Hialohavan’ny fahaizana misoroka izay azo sorohana ny hafatra ambadik’izany. Kolontsaina, mila volena anatin’izao krizy sosialy sy toekarena izao ny fahaiza-mitsinjo vodiandro ho merika ka zary mamboly ho azy ny fisorohana ny voina na ny aretina. Marina fa tsy misy maty raha tsy ny tapitr’andro, tsy maty raha tsy amin’ny lerany, saingy hafa ihany ny malina sy mitandrina.
Taotrano tsy efan’ny irery ny ady atao amin’ny valanaretina. Tsy afaka ny manilika ny andraikitra any amin’ny fitondram-panjakana samirery ny rehetra. Samy tompon’antoka amin’ny tenany sy ny ankohonany. Fotoana izao, hanamafisan’ny Malagasy orina ilay firaisankina ho tena hery.
r.r