Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria foibe Tanjombato, tao amin’ny fari-piadidiany ny lehilahy iray teo am-pidorohana zava-mahadomelina, omaly, tao Ankady Tanjombato. Toy ny fanao, manao fisafoana sy fanaraha-maso hatrany eny amin’iny faritra iny ny polisy. Nisy paikady napetraka tamin’ny fametrahana polisy manao fanamiana sivily hanara-maso ireo olona mampiahiahy. Nandritra izany no nahafantaran’izy ireo fa misy olona midoroka zava-mahadomelina eny amin’iny faritra Ankady hihazo an’Ilondika iny. Niroso tamin’ny fitsongoana dia izy ireo ka tratra ny lehilahy malaza ratsy amin’ny fifohana rongony. Mbola nahitana fonosan-drongony roa lehibe teny aminy nandritra ny fisamborana azy. Lehilahy iray koa voasambotry ny polisin’ny UIR teny Manjakaray, ny sabotsy maraina teo, noho ny fivarotana rongony. Nanamafy ny polisy fa mitohy hatrany ny hetsika famongorana ireo mpivarotra zava-mahadomelina eto an-drenivohitra. Manao tetikady ny polisy hamandrihana ireo minia manao ity asa ratsy ity. Polisin’ny UIR manao fanamiana sivily no nahatratra lehilahy iray nivarotra rongony tao Manjakaray. Fonosan-drongony 77 hita tao an-tranony nandritra ny fisavan’ny polisy. Nilaza izy fa maro ireo mpanjifa tonga ao aminy ary efa misy ny baiko hifampiresahan’izy ireo mba tsy hahafantaran’ny olona ny asa ratsin’izy ireo.
J.C