Nosokafana ofisialy, omaly 15 mey, tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny “2è Forum Humanitaire de L’Union Africaine pour la Jeunesse”. Atrikasa andinihana ny fahafahan’ny tanora mamaha ny krizy manjo ny olona aty Afrika, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Tanjon’ity “forum” ity ny hanampiana ny tanora sy hiaraha-misalahy amin’ireo tanora misehatra amin’ny fiatrehana ny seho na olana voajanahary, na ihany koa ara-piarahamonina. Nankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka rehetra sy ny Vondrona afrikanina ny minisitra Resampa André Haja, amin’ny fikelezan’izy ireo aina ny amin’ny fanatanterahana izao atrikasa izao. Naneho ny fisaorany ihany koa ny tenany amin’ny nisafidianana an’i Madagasikara, izay mandray izao atrikasa izao, haharitra 3 andro.
Mi.Raz