Mahatratra 284.225 ireo sahirana ara-pivelomana notsaboina maimaimpoana teny amin’ny Centre de soin et de santé (CSS) Avaradoha nandritra ny 30 taona, raha ny tatitra voaray omaly. “Tsy misitraka fitsaboana ara-dalàna ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy noho ny fahasahiranana mahazo azy”, hoy ny Dr Randrianalison Andrianomentsoa. Ny fahatsapana izany no antony nahatonga azy ireo mitsabo sy mandray an-tanana ny olon-drehetra, indrindra ireo sahirana. Anisan’ izany ireo mpatory an-tsena, izay tsy manana fahefa-mividy hanatona mpitsabo rehefa marary. Eo koa ny olona sahirana ara-pivelomana ka tonga mitaraina eny an-toerana. Ary farany ireo mpampianatra sy mpianatra eo anivon’ny sekoly Fifanampiana Malagasy. Tanjona ny hisitrahan’ny olon-drehetra fitsaboana, raha ny fanazavana. Tafiditra indrindra ao anatin’ny velirano fahadimy napetraky ny filohan’ny Repoblika izany.
Misy hatrany ny fitsaboana maimaimpoana eny an-toerana mandritra ny telo andro, nanomboka omaly. Toy ny fizahana maso, fitiliana tosidra, diabeta ary fanomezana odikankana ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona. Nisokatra omaly ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroan’ny ivontoerana ary hifarana ny sabotsy izao.
Mino (mpianatra asa)