Fanararaotana ara-nofo : roa lahy voasaringotra ho nanolana zaza mirahalahy

Niakatra fampanoavana, omaly, ireo roa lahy voasaringotra tamin’ny raharaha fanolanana zazalahy iray 8 taona sy ny zokiny lahy 11 taona, tetsy Analakely.
Tsy mahatana ny malotony intsony, tsikaritry ny olon-tsotra iray sendra nandalo ny fahavoazan’io zazalahy 8 taona io. “Efa iray volana lasa no niharan’ny herisetra izy mirahalahy ireo”, hoy ny filohan’ilay fikambanana tsy miankina, Stéphane Kennedy Fitiavanja­na­hary, nandray an-tanana ireto ankizy lasibatra ireto. Mpatory an-dalambe, avy amina fianakaviana sahirana ireto zaza lasibatra ireto ka tsy voaara-maso akaiky. Niditra an-tsehatra tamin’ny fanatonana ny eo anivon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny tomponandraikitra eo anivon’ilay fikambanana tsy miankina. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny polisy. Vokany, olona roa lahy voasaringotra. Niakatra fampanoavana, omaly, izy ireo. “Mbola misy olona hafa ma­ro­maro notononin’ireo ankizy lasibatra ireo”, hoy ny filohan’ilay fikambanana tsy miankina nandray an-tanana azy mirahalahy, Stéphane Kenne­dy Fitiavanjanahary. Hisy ny valandresaka hataon’ity farany amin’ny mpanao gazety ho an’ny anio mahakasika ity raharaha ity.

Tsiferana R.

Partager sur: