“Teneninay eto: tsy maintsy hisy ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, tany Antsirabe, faritra Vakinankaratra, ny faran’ny herinandro teo. Diso ny fitenenana hoe efa tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana teo aloha ny tena, ka tsy mila miditra intsony ao anatin’ny lisitry ny mpifidy amin’izao fanavaozana tanteraka izao. Tsy afa-kifidy ireny olona ireny, rehefa tonga ny fifidianana.
Manentana an’ireny olona ireny hisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy izay anaovana fanavaozana tanteraka izy. Mametraka paikady ny Ceni amin’ny fomba fanentanana faobe. Ankoatra ireo olompirenena efa voasoratra anarana amin’ny fanavaozana isan-taona (Ral) teo aloha, izay tsy mbola misoratra anarana amin’izao fanavaozana tanteraka izao, misy ireo tokony hiditra amin’izany.
Vinavina ny isan’ny mpifidy hoe 13,5 tapitrisa
“Aoka mba tsy hisy olona nisoratra anarana tao anatin’ ny lisitry ny mpifidy, nefa tsy ho tafiditra amin’izany”, hoy izy. Misy izay ary tsy vitsy nandritra ny fitetezam-paritra nataon’ny Ceni foibe. Mampalahelo raha olona iray na roa no tsy tafiditra amin’ny lisitry ny mpifidy amin’izao. Napetraka ny toromarika fa ny rehetra nisoratra anarana, jerena takelaka nisoratany anarana sao tsara pirina. Tsy maintsy atao ny hampiditra azy ireo ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.
Vinavina ny fanatrarana ny isan’ny mpifidy ho 13,5 tapitrisa. Misy fepetra hanatrarana an’izay: tsy maintsy manana karapanondro ny olompirenena 18 taona no ho mihoatra. Izay ny ezaka fitsarana mitety vohitra fanomezana karapanondro. Eo koa ny fampidirana ny olompirenena ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Tsy ho tratra io tarehimarika io, raha tsy miditra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy avokoa : misy mahafantatra, na misy misalasala ilazana fa zo sy adidy ny fidirana ao anatin’ ny lisitra. Tsy afa-kifidy sy tsy afa-kanao fitarainana momba ny fifidianana ny olona, raha tsy tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.
R. Nd.