Mbola olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara ny fananan’ny olona
tosidra ambony.
Ho an’ny olona 25 taona no ho miakatra, mahatratra 35,8% no manana tosidra ambony, araka ny fanadihadiana farany nataon’ny manam-pahaizana manokana momba ny fitsaboana ny aretin’ny fo sy ny lalandra. “Lafo ny vidim-panafody hitsaboana ny aretin’ny fo sy ny lalandra satria hanina mitohy ary mety tsy hajanona intsony mandra-pahafaty mihitsy ilay fanafody”, hoy ny lehiben’ ny sampam-pitsaboana ny aretin’ny fo sy ny lalandra ao amin’ny Cenhosoa Soavinandriana, Dr Miandrisoa Rija Mikhaël, omaly, teny Ambohitrombihavana. Betsaka ny antony mitarika amin’ny aretin’ny fo sy ny lalandra fa anisany ny fananana tosidra ambony, ny toe-tena diabetika, ny fifohana sigara… Mety indrindra raha vao tonga ny faha-40 taona, manatona mpitsabo manara-maso ny tosidra sy ny tahan’ny siramamy anatin’ny ra, ny tahan’ny cholesterol, indrindra raha manana ray aman-dreny efa manana iray amin’ireo olana ara-pahasalamana ireo.
Ankoatra ny fahalafosan’ny fanafody handaminana ny aretin’ny fo sy ny lalandra, lafo ihany koa ny vidin’ny fitaovana fitsaboana sy hitarafana io karazana aretina io. «Ireo toeram-pitsaboana tsy miankina ihany no manana ny fitaovana avo lenta», hoy ny tomponadraikitry ny fitsaboana ny aretin’ny fo sy ny lalandra ao amin’ny CHUJR Befelatanana, profesora Rakotoarimanana Solofonirina. Raha manana ireo fitaovana ilaina amin’ny fitsaboana anefa eto Madagasikara, tsy ilaina intsony ny mandefa ny marary hotsaboina any ivelany (Evasan) satria ny mpitsabo Malagasy mahafehy izany. Manimba ny atidoha sy ny voa anefa ny aretin’ny lalandra sy ny fo rehefa tsy voatsabo ara-potoana.
Vonjy A.
Vonona hampitaovana ny Siemens Healthineers
Notontosaina, nanomboka omaly, ary hifarana anio, ny fivoriana siantifika momba ny fandraisana an-tanana ny aretin’ny lalandra sy ny fo ary ny atidoha, nokarakarain’ny Madagascar medical technology sy ny Siemens Healthineers. Tokony hanana laboratoara avo lenta sy fitaovana arifomba raha te hampihena ny taham-pahafatesana mifandraika amin’ny aretin’ny fo sy ny lalandra. Efa manana fitaovana roa eto Antananarivo hitsaboana ny fahatsetsenan’ny lalandra sy ny ra mihandrona. Vonona ny Siemens Healthineers hampitaovana ny toeram-pitsaboana sy hanofana ireo Malagasy manam-pahaizana amin’ny fikirakirana ny fitaovam-pitsaboana, hoy ny tomponandraikitry ny fanadihadiana ao aminy, Ayanda Swana.