Tontosa ny sabotsy 13 mey 2023, teny amin’ny Aro Antsahavola, ny lanonana nokarakarain’ny fikambanana Sehatra Bagasy. Tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy, nandritra izany, ary ny “Redombe Ba Gasy”, fikambanana ivondronan’ny mpanao bagasy tsy ankanavaka. Fananganana ny “Redombe Ba Gasy” sy fianarana hira ary fifampizarana sy seho an-tsehatra no nameno ny fandaharam-potoana nandritra ny lanonana.
Nifanome fotoana ny sabotsy lasa teo ny fianakaviamben’ny mpanao bagasy. Niroso tamin’ny fianarana hira ny mpikambana rehetra, taorian’ny fananganana ny “Redombe Ba Gasy”. Nifarimbona nampianatra ny hira fanao amin’ny fisokafan’ny rindrin-damba i Mimi sy Mbosa, mpampianatra hira bagasy. Fifampizarana teo amin’ny tarika miangaly ny Bagasy maromaro sy fizarana nataon’ny mpiangaly bagasy efa ela nikatrohana no nanohizana izany.
“Mikolo hatrany ny gadona tena Malagasy”, io no teny filamatry ny fikambanana. Raha ho an’ity lanonana ity. Tsapa ny fahamaroan’ny tanora sy ankizy mirotsaka eo amin’ny fiangaliana ity gadona ity. “Mahavelombolo ny mahita ireto ankizy sy tanora handimby sy hamelo-maso ny gadona bagasy ireto. Vonona izahayy hiara-hiasa sy hizara amin’izy ireo ho fampiroboroboana izany”, hoy Ratefiarison Lydie, filohan’ny fikambanana Sehatra Bagasy. Hitohy hatrany ny fampivondronana sy fiarahana eo amin’ny mpikambana amin’ny alalan’ny fihaonana isam-bolana.
Lin (Mpianatra asa)