Ho valin’ny fangatahana…: hosokafana ho an’ny mpanao hatsikana ny Ivokolo

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ilay fampisehoana nataon’ireo tanora mpanao hatsikana, tetsy amin’ny Ivo­kolo Analakely. Mbola tafiditra tanatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny hehy ihany izany, izay nandraisan’ireo mpanao hatsikana ampolony anjara. Tsikaritra fa tsy ampy ny toerana sy ny fotoana hanehoan’ireo mpanakanto vao misondrotra eo amin’ny hatsikana ny talentany. Misy ary maro anefa ireo handimby an-dry Francis Turbo, Gothlieb, Fou Hehy, sns. Nitari-dalana azy ireo ry Etsetra Etsetra, rehefa avy nahazo tolo-tanana toy izany tamin’ireo zokiny koa.
Taorian’ny fahatsapana ny zava-nisy, ny sabotsy teo, nampanantena ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, fa hisy ny fikarakarana “scène ouverte” ho an’ny hatsikana, ao amin’ny efitrano Charles Ravaloson, ao amin’ny Ivoko­lo Analakely. Mety tsara ny toerana hitrandran’ireo mpanao hatsikana ny talentany. Mifameno ihany amin’ny teatra, izay hampiasana voalohany ny efitrano izany.
Ankoatra izay, fantatra fa hisy ihany koa ny hetsika goavambe ho an’ny zavakanto an-tanàn-dehibe, izay hokarakarain’ny minisitera mandritra ny fialan-tsasatra lehiben’ny mpianatra. Anisan’ireo hanana anjara toerana amin’ny “Tokotanibe”, satria izay no anaran’ny hetsika, ny hatsikana.

Zo ny Aina

Partager sur: