Lalaon’ny Nosy 2023 : fitaovana 4 kaontenera, ho an’ny atleta malagasy

Nomen’ny fanjakana sinoa fitaovana efatra kaontenera ny atleta malagasy, handray anjara amin’ny JIOI 2023. Nandray izany ny delegasiona, notarihin’ny filoha Rajoelina Andry.

Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny La­pan’ ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahama­sina, ny lanonam-panolorana fitaovana ho an’ireo atleta malagasy avy amin’ny firenena sinoa. Tonga nanotrona izany ny filohan’ny Repob­lika, Rajoelina Andry. Fi­ta­o­vana ara-panatanjahantena efatra kaontenera ho an’ireo taranjam-panatanjahantena efitra : atletisma, fibatana fonjamby, tenisy ambony latabatra, badminton.

Nambaran’ny filoham-pirenena fa anatin’ny paikady hahazoana vokatra tsara ny fananana fitaovana. No­hamafisiny ihany koa fa misy ny fitaovana ho an’ny federasiona sy ny atleta, ka ny ampahany hanomanana ny atleta ary ny ampahany handraisana ny lalao. An­ko­atra izao fitaovana izao, hisy sinoa teknisiana ho avy eto afaka iray volana, hizara traikefa. Ankoatra ny mpikambana sasany tao amin’ny governemanta, tonga nandray ny fitaovana ny atleta, mpisitraka ny fanomezana avy amin’ny taranja voakasika.
Ho any Thailande
Ankoatra ny mpilalao efa manaraka fiofanana any ivelany, hisy atleta hiofana any Thaïlande, ny avy amin’ny taranja lomano, afaka herinandro vitsivitsy. «Tafiditra amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023 avokoa izany», hoy ny filoha Andry Rajoelina.
«Efa ela no niara-niasa ny firenena roa tonta, tafiditra anatin’ny fanamafisana izany izao fampitaovana izao. Mbola vonona hatrany ny firenena sinoa hanohana, indrindra ny atleta malagasy.», hoy kosa ny solonte­nan’ny masoivohon’i Chine, miasa sy monina eto Ma­da­gasikara.
Nanamafy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny firenena roa tonta ny minisitra Resampa André Haja, nandritra ny fandraisam-pitenenany. «Vokatry ny fifampiresahana sy fifanarahana ara-teknika no nahatonga izao fanomezana fitaovana izao», araka ny nambarany.

Mi.Raz

Partager sur: