Mandritra ity andro faharoan’ny fifaninanana fiadina ny amboara eran-tany eo amin’ny “Slam poèsie” ity, hiaka-tsehatra ny solontena malagasy. Efa any an-toerana ary efa vonona tanteraka ny delegasionina hiatrika izany.
Anio amin’ny 8 ora sy 30 minitra, ora eto Madagasikara no hiaka-tsehatra voalohany, amin’ny fifaninanana fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny “Slam Poèsie”, i Hichim. Izy no misolotena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity amin’ny naha tompondakan’ny “Slam national 2022” azy. Any Belleville Paris, Frantsa, nanomboka omaly 15 mey 2023 hatramin’ny 21 mey 2023, no anaovana ity fiadiana ny amboara eran-tany ity. Efa vonona tanteraka ny delegasionina malagasy miatrika izany fifaninanana izany, izay efa any an-toerana. “Tafiditra ao anatin’ny telo voalohany no azo antoka fa ho azontsika handehanana. Ny mihoatra an’izay ihany koa anefa mbola hirariana”, hoy i Hichim, mpiangaly Slam misolotena an’i Madagasikara.
Mpiangaly Slam roapolo no mandray anjara, mifaninana amin’ity fiadina ny amboara eran-tany eo amin’ny “Slam Poèsie” ity. Dingana telo no holalovana ho an’ny mpifaninana tsirairay. Ny dingana iray izay ahitana fiodinana telo. Mpifaninana 12 no ho tafakatra amin’ny dingana faharoa, aorian’ny dingana voalohany. Ny enina amin’izy ireo indray no hiakatra amin’ny dingana fahatelo. “Tsy hijery izay rehetra hifaninana amiko aho fa vonona ny hanome ny tsara indrindra avy amiko ho fanandratana ny maha izy ny “Slam Poèsie” malagasy”, hoy i Hichim. Amin’ny teny malagasy avokoa no hiantsan’ity solontenantsika ity ny lahatsoratrany miisa enina. Ny mpifaninana tsirairay izay miantsa ny lahatsorany amin’ny fitenin’ny firenena hisoloany tena. Efa mahafehy ny fiteny sy ny fanononana malagasy i Hichim, na dia teratany Komorianina aza. “Efa nampidirina tao anatin’ny sivana sy fifaninanana nandritra ny Slam national ny fanaovana lahatsoratra sy fiantsana izany amin’ny teny malagasy”, hoy Tohy, filohan’ny fikambanana Madagaslam.
Lin(Mpianatra asa)