Tetikasa “Anjara”-METFP: hanampy ny tanora tsy manana asa

Hitondra vahaolana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana, manoloana ny olan’ny tanora. Anisan’izany ny fandaharanasa « Anjara », hitondra ny traikefany amin’ny fanofanana.

Nambaran’ny minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arakasa (METFP), Rahariniri­na Gabriella fa maro ireo tanora sahirana eo amin’ny fidirana amin’ny tsenan’ny asa na nahavita fianarana aza. “Eo ny fitadiavana asa fa ilaina fahaizana sy teknika koa ny fifampiresahana mialoha amin’ny mpampiasa… Ilaina ny fanofanana azy ireo”, hoy izy, tetsy Ampefiloha, omaly. Nampahafantarina tamin’izany ny fanofanana hanampiana ireo tanora tsy an’asa na koa ireo efa manana tetikasa ka misedra olana. Iarahan’ny METFP sy ny fandaharanasa « Anjara » izany. Hatao eny amin’ny CCI Ivato, ny sabotsy izao ny andiany voalohany ho an’ireo liana amin’izany ary hitohy hatramin’ny novambra. Nambaran’ny tomponandraikitra, Ranaivo Hasina, fa ilaina ny fanofanana sy ny “Coaching” ahafahan’ireo tanora mahita ny lalana izorany sy ananany fahaiza-manao ary hanehoany ny maha izy azy. “Hananany fahatokisan-tena sy ahafahany mametraka paikady. Ho fantatra ao koa ny voafehiny sy ny tsy mbola hainy ka hanampiana azy ireo”, hoy izy. Tsy anavahana izao fanofanana izao fa ho an’ny rehetra, rehefa mahafeno ny fepetra sy ny sarany momba izany.
Ampitaina amin’ireo tanora amin’izany ny teknika sy ny fampiharana ary koa ny fampiasana ny nomerika, efa tsy azo ialana intsony amin’izao fotoana izao.
Tsiahivina fa hampihatra ny traikefany tao anatin’ny taona maro norantovina tany amin’ireo sekoly ambony toy ny tany Etazonia ny tetikasa « Anjara » amin’izao fiaraha-miasany amin’ny MFTEP sy ny tanora izao.

Synèse R.

Partager sur: