Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. Tohana entina hanatsarana ny fandrindrana sy ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana.
Taorian’ny tombana ny taona 2013, natao ny taona 2016 ny famolavolana ny drafitrasa hanavaozana ny fitantanana ny volam-panjakana (PSMGFP), mandritra ny 10 taona. Tanjona ny hametrahana rafitra mafy orina amin’ny fitantanana ny tetibolam-panjakana (GFP), mahomby, mangarahara, hanatanterahana ny Fandaharanasam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (PND).
Nisy ny fivoarana vita, saingy fantatra araka ny tombana ny taona 2021 fa nikorosy fahana ny fitantanana ny volam-panjakana teto Madagasikara. Kely ny tahan’ny fampiasana ny vola, mivangongo ny fanomanana ny tetibola sady maro ny tondro tsy mahafapo. Tsy afaka manaraka akaiky ny fitantanana ny volam-panjakana ny Fiarahamonim-pirenena (OSC). Voafetra ny andraikitry ny Antenimierampirenena amin’ny fanadihadiana ny tetibolam-panjakana sy ny fandoavam-bolan’ny fanjakana. Ahitsy matetika ny fandoavan’ny fanjakana ny trosany. Lany andro ny fitantanana ny tsenambarom-panjakana. Tsy mahafapo ny fampiasambolam-panjakana sy ny fitantanana azy sady tsy mifanaraka amin’ny fomba fanao iraisam-pirenena. Tara ny fampiasana ny tetibola sady tsy ampy, toy ny famindrana ny vola any amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD), ohatra.
7 tapitrisa euros
Namatsy vola 7 tapitrisa euros ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), hanohanana ara-bola ny tetikasa tan-tsoroka amin’ny fanavaozana sy fanamafisana ny fahaiza-manao (PARRC). Hoentina hamolavolan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola (MEF) ny drafitrasany vaovao PSMGFP 2022 izany. Nanao sonia ny fifanarahana ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, sy ny sekreteram-panjakana frantsay ho an’ny fampandrosoana, ny frankofonia ary ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, Chrysoula Zacharopoulou, natrehan’ny masoivoho frantsay, Arnaud Guillois sy ny talen’ny AFD Madagasikara, Yves Guicquéro.
Njaka Andriantefiarinesy