Fanafihana tsy tontosa, maty voatifitry ny zandary ny jiolahy roa lahy tao Tsaratanimbary, kaominina Ambohimandroso, distrikan’ Antanifotsy, ny alahady 14 avrily teo. Naharay loharanom-baovao mahakasika ny asa ratsin’ireo ny zandary ao an-toerana ka nanao ny vela-pandrika niaraka tamin’ny fokonolona. Voasambotra izy roa lahy, nikasa hanohitra. Vokany, raikitra ny fitifirana ka voatifitra ireo jiolahy. Marihina, efa namoahana didy fikarohana hatry ny ela izy ireo.
Tsiferana R.