Nodoran’ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy, afakomaly, ireo rongony milanja 220 kg azon’ny zandary tao amin’ny kaominina Anjiamangirina, distrikan’Antsohihy. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny vondron-tobim-paritra, ny kapiteny Randrianome Roger Berthin, tovolahy enina nilanja entana tamin’ny gony no nifanehatra tampoka tamin’ny zandary nanao fitsidiham-paritra tamin’iny faritra iny. Nandositra avy hatrany ry zalahy vantany vao nahatazana ireo zandary. Rongony milanja 220 kg notsinjaraina tanaty gony 12 ireto natsipin-dry zalahy ireto. Tsy nisy tratra izy ireo na nanao izay ho afany aza ny zandary tamin’ny fanarahan-dia sy ny fanenjehana. Teo anatrehan’ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana no nanatanterahana ny fandorana ireto zava-mahadomelina ireto.
J.C