Mifarana androany, eny Manarintsoa Afovoany, ny hetsika telo andron’ny fahasalamana manakaiky vahoaka. Iarahan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana Manjaka vintana Béton Armé (MVBA). Maherin’ny 300 ireo nizaha fahasalamana maimaimpoana teny an-toerana, nandritra ny roa andro.
“Tsy manana fahefa-mividy hanatonana toeram-pitsaboana ny ankamaroan’ny olona ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny fikambanana, Hajatiana Alphonse. Tanjona ny hitsinjovana ireo olona sahirana tsy manam-bola entina any amin’ny mpitsabo sy ny hopitaly.
Tsy afaka nizaha fahasalamana efa an-taonany maro ny olona sasany ka manararaotra ny hetsika toy izao, raha nohadihadiana. “Manao fanabeazana aizana aho, ary manara-maso izany no nandehanako aty”, hoy i Nirina. Nilaza izy fa efa herintaona tsy nanara-maso izany teny amin’ny mpitsabo nantoniny, noho ny fahasahiranana ara-bola.
Mampiavaka ny hetsika ny fisian’ny “clinique mobile” teny an-toerana. Nitilian’ny vehivavy ny vozon’ny tranon-jaza sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ary ny VIH/Sida. Fantatra teny koa ny fomba hisorohana ny homamiadana sy hanaraha-maso ny fanabeazana aizana.
Mino (Mpianatra asa)