Misy madisadisa ny isan-tokantrano. Marary ny fiarahamonina malagasy. Nambaran’ny Dr. Andriamahenina Fabrice, mpandinika fiainan’ny fiarahamonina fa « anisan’ny nahatonga izany ny fahaverezan’ny soatoavina fototra ». Dinika nifanaovana taminy…
Gazety Taratra (*) : Amin’ny maha mpandinika ny fiarahamonina anao, inona no nahatonga ny fiarahamonina malagasy tsy afaka disadisa ?
Dr. Andriamahenina Fabrice (-) : Very ny soatoavina fototra. Anisan’izany ny fihavanana. Nasandratry ny Malagasy ho ambony indrindra ny fizarazarana ara-pinoana, ara-pirazanana, ara-politika, ara-poto-kevitra. Niteraka fifankahalana, eny tonga hatramin’ny fifamonoana mihitsy aza, izany. Ankoatra io, maro ny antony mahatonga ny soatoavina fototra ho very. Goavana indrindra ny fahantrana. Nasongadiny fa tena misy fiantraikany amin’ny tsirairay ilay fahantrana. Mametraka tsikelikely ao anatin’ny tsirairay ilay foto-pisainana manao hoe : «ny vola no maha Rangahy», «ny vola no hozatry ny fiainana» ary lasa ny vola no vaindohan-draharahan’andavanandron’ny Malagasy tsirairay. Atao izay hahazoana vola na amin’ny fomba ratsy sy mamoehitra ary manimba ny soatoavina aza.
* Inona ny vahaolana arosonao ho an’ny Malagasy tsirairay hoenti-miala amin’ izany fahalovana izany?
– Very hasina isika ! Fa raha miara-mientana anefa ny tsirairay, miaraka amin’ireo ambaratongam-pahefana rehetra mametraka ilay toe-tsaina Gasitsara, azo inoana fa hiova izao zava-misy izao. Ny fiantsoana ny Gasy tsirairay ho «Tsara» manko, fanentanana azy sahady ho amin’ny tsara sy hanao ny tsara… Indrindra indrindra ny fiantsoana ilay «Tsara» hidina sy hiasa eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny tsirairay, izay tsy iza fa ilay loharanon’ny hatsarana dia Andriamanitra Andriananahary (fantatry ny Malagasy ny fisiany na mbola tsy niditra teto aza ny vahiny). Hiverina avokoa ireo kolom-pahendrena rehetra sy kolo hasina rehetra, satria ilay tompon’ny hasina sy fahendrena no antsoina voatsiahy isan’andro, rehefa voatonona ny hoe «Gasitsara». Hiverina indray ilay hoe : «Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha». «Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no mahatahotra», sns. Gasitsara isika ary mila miaina izany !
* Raha io no tafapetraka, hanao ahoana ny endri-piarahamonina mety ho hita eto Madagasikara ?
– Hiova ilay foto-pisainana hoentina eo anivon’ny tokantrano, fiarahamonina ka hanome endrika vaovao azy ireny izany. Antony, tena kolosaina mivantana ho an’ny tsirairay, rehefa henon’ny sofina ka tsakotsakoin’ny atifo sy fanahy ilay fiantsoana hoe «Gasitsara». Ho takona any ambadika daholo ireo olana notanisaina rehetra, ka lasa fiarahamonina mivoy ny fifampihainoana, fifampitsinjovana, fifanajana, fiaraha-misalahy, firahalahiana anaty fahasamihafana no ho tazana. Hanjaka ny fandriampahalemana satria olona vonon-kiasa ny tsirairay. Hitondra antsika ho any amin’ny fampandrosoana izany rehetra izany. Ilay toe-tsaina Gasitsara izany, dia tena fanoitra lehibe ho an’ny kolom-piarahamonina tena izy, mba hiadana sy ho finaritra ary ho sambatra tokoa ity Nosindrazantsika ity.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto