Herisetra ara-nofo : naiditra am-ponja ireo roa lahy nanolana “4’mis”

Nalefa eny am-ponja ireo roa lahy nanolana an’i Tolo­tra kely sy ny zokiny, taorian’ny fampanoavana afakomaly. Voasaringotra tamin’ny fanararaotana ara-nofo nihatra tamin’i Tolotra sy ny zokiny ireo voapanga ireo. “Mbola tsy ampy taona avokoa ireto voarohirohy ireto ka antony nandefasan’ny fitsarana azy ireo eny anivon’ny fonja ho an’ny zaza tsy ampy taona”, hoy ny filohan’ny fikambanana tsy miankina iray, Fitiavanjanahary Stéphane Kennedy, nandray an-tanana an’i Tolotra kely. Eo am-panatontosana ny fanadihadiana momba ireo olona hafa voatonona anarana tamin’ity herisetra ara-nofo ity ny mpitandro filaminana. Raha tsiahivina, tsy nahatana ny malotony intsony i Tolotra, zazalahy valo taona mpirenireny etsy Ana­lakely. Tsikaritry ny olon-tsotra iray sendra nandalo ny fanilikilihan’ny manodidina azy. “Iray volana lasa teo ho eo no niharan’ny fanolanana io zaza io sy ny zokiny”, hoy ny ny filohan’ny fikambanana tsy miankina iray. Mbola niharan’ny herisetra tahak’io zaza io koa anefa ny zokiny lahy. Niroso tamin’ny fandraisana an-tanana azy ireo ilay fikambanana. Nitondra ny raharaha teo anivon’ny mpitandro filaminana izy ireo. Vokany, tra-tehaka ireo voalaza ho nanao ny fanolanana.

Tsiferana R.

Partager sur: