Karate-Andrianavomanana Solofo : “Fanapahankevitr’olon-tokana ny nataon’ny MJS”

Naneho ny heviny mahakasika ny toe-draharaha misy eo amin’ny taranja karate amin’izao fotoana, Andrianavomanana Solofo Barijaona sy ireo ligy 14, omaly, teny Ivandry.

Nanatanteraka fivoriambe ara-potoana (ordinaire) sy extraordinaire, teny amin’ny foiben’ny Komity olympika Malagasy, omaly, Andrianavomanana Solofo Barijaona sy ireo ligy 14 miara-dia aminy. Nandritra izany no nanehoany ny heviny mahakasika ny fahazoan-dalana nomen’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanja­hantena an-dRatefinanahary Emile. “Fanapahankevitr’ olon-tokana no hitsarako ny fanomezan’ny MJS ny tara­tasy fankatoavana an-dRa­tefinanahary Emile ho filo­han’ny FMK”, hoy ny namba­ran’Andrianavomanana Solo­fo Barijaona. Mitsipaka ma­rindrano izany fanapahan-kevitra izany ny tenany ary nambarany fa manohana azy ireo ligy 14 ara-dàlana sy ny Komity olympika Malagasy. Efa nisy taratasy manambara izany fitsipahana izany no­men’izy ireo ny tomponandraikitra mahefa. Tokony hisy, hoy izy, ny fihaonan’ny KOM sy ny MJS hamoahana vahaolana iraisana ho an’ny taranja karate. Notsindriny ihany koa fa tsy manana fahefana hanome fahazoan-dalana mihitsy ny UFAK (Union Africaine de Karate). Ny KOM, CIO ary ny TAS no tomponteny farany. Na dia eo aza ny olana sedrain’ny taranja karate, manomana ny la­laon’ny Nosy ireo atleta. “Mia­ra-miasa amin’ny Ka­nada, Mexique, Japon ary Ukraine izahay amin’ny resaka fifampizarana traikefa, misy ihany koa ny fiofanana hampitain-davitra”, hoy ny fanazavan’Andrianavomanana Solofo Barijaona.

Mi.Raz

Partager sur: