Lehilahy novonoina: nomena fampatoriana, notsatotsatohana antsy

Voasambotry ny polisy ny mpifankatia namono lehilahy, iray teny Andavamamba. Nomen’izy ireo fampatoriana, nolerana antsy, nodorana ilay lasibatra. Niaiky ny heloka vitany izy roa.

Tapa-bolana aty aoriana, tra-tehaky ny polisy ny atidoha sy tompon’antoka tamin’ny famonoana ny raim-pianakaviana iray tetsy Andavamamba. “Razana no­dorana tanaty dabam-pako no nanaitra ny mponina manodidina ka nampandre anay ny 29 avrily lasa teo”, hoy ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Tovovavy 22 taona sy tovolahy 17 taona, mpisakaiza no nahavanon-doza. Voa­sambotra tany Ambaton­drazaka izy ireo ny alakamisy faha-11 mey. Nenti­na niakatra aty an-drenivohitra, atao fanadihadiana etsy amin’ny sampana ady heloka bevava, mi­andry ny hitondrana ny raharaha any amin’ny fampanoavana.
“Nanana fifandraisana akaiky ny lasibatra sy ilay tovovavy. Nifandray nandritra ny roa taona ka nanofan-drangahy trano. Taty aoriana ane­fa, tsy voaloa intsony ny hofan-trano ka niteraka di­sadisa teo amin’ny roa ton­ta.”, hoy hatrany ny teo anivon’ny polisim-pirenena.
“Tsy faly nanoloana io tranga io ilay tovovavy ka nisakaiza tamin’ny tovolahy vao 17 taona. Vokatry ny tsy fifankahazoana. Nanapa-kevitra ny namono ilay raim-pianakaviana izy roa.”, araka ny fampitam-baovao.

Nomena fampatoriana
Nampihoron-koditra ny zava-bitan’izy roa! “Mody ni­sotrosotro niaraka io vehivavy io sy ilay raim-pianakaviana. Nampiana fanafody mampatory anefa ny zava-pisotrony”, hoy ny fanazavan’ny polisy. Voalaza fa notsatohana antsy ny tenda sy ny tratran’ilay raim-pianakaviana, tao anaty torimaso lalina. Namoy ny ainy ity farany. Nentin’ilay vehivavy sy ny sakaizany vao 17 taona teny amin’ny fanariam-pako ma­nakaiky ny lakandrano Andrian­tany ny vatana mangatsiaka. Nodoran’izy ireo ta­min’ny lasantsy avy eo.
Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ny raharaha ny mpitandro filaminana. Ni­tsoaka nihazo an’Ambaton­dra­zaka ireto mpisakaiza na­ha­vanon-doza, araka ny an­gom-baovaon’ny mpanao fa­moto­rana. Nisy ny fitsongoana dia, voasambotra izy ireo. “Niaiky ny heloka vitany izy roa ireto”, hoy ny polisim-pirenena. Andra­sana ny fiakaran’ny raha­raha eny amin’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana.

Tsiferana R.

Partager sur: