Nisitraka ny fampahafantarana ny momba ny fitaterana an-tariby na ny téléphérique ny mpianatra tao amin’ny Lycée Rabearivelo sy ny teny Ivandry, ny faran’ny herinandro teo. Izy ireo rahateo no sekoly manakaiky ny pylônes sy ny gara ka mendrika ny hahafantatra ny mikasika ity fitaterana vaovao ity.
Nahaliana ireo mpianatra ny fanazavana ny amin’ny ho tombontsoa entin’izany amin’ ny sehatry ny fifamoivoizana. Hanampy betsaka amin’ny fampihenana ny fitohanan’ny fifamoivoizana…
Zon’ny ankizy ny mahafantatra ny tetikasam-panjakana toy izao izay mitondra mankany amin’ny fampivoarana ho an’ny tanàna. Efa tsy mahandry ny fandehanan’ny TPC eto Antananarivo ireo mpianatra ary tsindriandaona rehefa nazava taminy ny zavatra rehetra.
Nanazava ny tomponandraikitra fa ankoatry ny sarany ho an’ny rehetra dia hisy ny fotoana ho an’ny mpianatra handehanana TPC maimaimpoana mandritry ny ora tsy misy fianarana. Hisy ihany koa ireo tapakila omena fotsiny ho azy ireo amin’ny fiandohan’ny fampandehanana ny TPC, hisitrahan’izy ireo ity fitaovam-pifamoivoizana vaovao ity.
Tatiana A