Manazary Betsizaraina: 55 ireo trano fonenana vaovao efa mitsangana

Nidina nijery ny fizo­tran’ny fanamboarana ireo trano fonenana, aorin’ny Seimad ,ao Manazary Betsizaraina, ny sekreteram-panjakana misahana ny Ta­nàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Andria­manohisoa Gérard, omaly. Misokajy 2 ny trano eny an-toerana, efitra 4 sy efitra 3. Anarana iantsoana ity tanàna vaovao ity ny hoe, Soa Iadanana. Trano miisa 55 no efa an -dalam-pahavitàna raha 100 no heverina ho aorina.
Efa natao kaomandy mialoha tany amin’ny Seimad ny trano. Mandray vita kosa ny tompony avy eo. Misy koa ireo mikaomandy trano misy rihana na R+4. Aloa tsikelikely ny vidin’ny trano, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Nambaran’ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao fa hotokanana amin’ny volana jolay ny trano.
Fantatra fa halamina avokoa ny momba ny taratasin’ny tanin’ny Seimad rehetra eny 67 ha sy ny manodidina ha­trany amin’ny faritra ka hanorenan’ny olona trano. Mila manatona ny biraon’ny Sei­mad ireo olona efa nanorina amin’ireny toerana ireny ha­hafahana mikarakara azy ho ara-dalàna.
Hatao tsy ho ela ny fanisana ireo tany ireo ka ho ampidirina amin’ny sehatra ara-dalàna avokoa. Mbola hivoaka ny filazana ofisialy mahakasika izany, hoy hatrany ny tomponandraikitra.

Tatiana A

Partager sur: