Nandiso ireo fanehoan-kevitra samihafa ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy, omaly, tetsy 67ha. Notsiahiviny tamin’izany ny asan’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac).
“Tsy natao hanenjehana mpanao politika na koa hikendrena foko izatsy na izaroa ny Pac. Mametraka ny tany tan-dalàna isika ary miady amin’ny kolikoly ka tsy misy anavahana fa tsaraina amin’ny rariny avokoa ny rehetra”, hoy izy. Notsiahiviny fa tafiditra amin’ny fanatanterahana ny veliranon’ny filohan’ny Repoblika ny fametrahana fitsarana tsy mitanila. Nohitsiny fa diso ny adihevitra amin’ny filazana fa fanenjehana mpanao politika sy resaka foko no ataon’ny fitsarana. Na tsy mivantana aza, nitodika amin’ireo voalaza fa oloben’i Mahajanga, nampanantsoina na koa ahiana ho voasaringotra amin’ny raharaha tsy mazava izany hafatra izany. Fitsarana ara-drariny iadiana amin’ny kolikoly ny Pac ary manao izany araka ny famaritan’ny lalàna azy. Manadihady na meloka na tsia fa tsy misy idiran’ny resaka politika.
Tsy misy ambonin’ny lalàna
Nohamafisin’ny minisitra fa mitombina ny fanenjehana rehefa voamarina. Aorian’ izay misokatra ny fanadihadiana. “Mandeha ny famotorana sy ny fitsarana avy eo. Avelao hanao ny asany araka ny rariny sy hitsiny izy ireo. Tsy misy ambonin’ny lalàna eto fa mitovy avokoa isika rehetra”, hoy izy. Nantitrateriny fa natao ho an’ ny rehetra, tsy anavahana ny fitsarana, mihatra amin’ny rehetra tahaka izany koa ny lalàna.
Etsy andaniny, nohazavainy fa anisan’ireo nanao tombana amin’ireo mpitsara voatendry eo anivon’ny Pac ny fiarahamonim-pirenena. “ Tena nandray anjara izy ireo, efa taty aoriana vao nametra-pialana tsy ho mpikambana eo anivon’ny komity mpanara-maso (CSE)”, hoy izy namarana ny fanazavany.
Synèse R.