Plumpy sup sy plumpy nUt: tafajoro ny komity marolafy hiady amin’ny fivarotana azy

Misy mivarotra ny Plumpy sup sy plumpy nut, izay natao hozaraina maimaim-poana. Manolona izany, nandray andraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Tafajoro, omaly, teny Andavamamba ny ko­mity marolafy hiadiana amin’ny fivarotana an-tsokosoko ireo sakafo fanafody sy fanafody maro tokony homena maimaimpoana ny marary eny amin’ny tobim-pahasalamana. “Mpikambana ao avokoa ny minisitera voakasika, tarihin’ny minisiteran’ny Fa­hasalamam-bahoaka, ny mi­nisiteran’ny Atitany, ny minisiteran’ny Varotra, ny minisiteran’ny Fitsarana, mpitandro filaminana… ary ny fiarahamonina sivily misehatra amin’ny ady ho an’ny fanjarian-tsakafo ny Vovonana Hina”, hoy ny tale misahana ny fahasalaman’ny fianakaviana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Vahatriniaina Lovahasina.
Niasa irery ny minisite­ran’ny Fahasalamam-bahoaka taloha, kanefa voafetra ihany ny andraikitra azony sahanina. Samy hamolavola drafitrasa tandrify azy avy ny minisitera voakasika ka haravona ho drafitrasa tokana.

Hanentana ny vahoaka

Hanombohana ny asan’ny komity ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny vahoaka fa misy fanafody hitsaboana sy hanarenana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika mahazo ny zaza, toy ny plumpy sup sy plumpy nut. Ho­mena eny amin’ny CSB izy ireny kanefa misy mivarotra ho an’ny rehetra. “Hiteraka olana ara-pahasalamana ho an’ny olona salama mihinana azy ity sakafo fanafody ity”, hoy ny fanamarihany ihany. Hitondra ny anjara biriky
amin’ny fanentanana ny fiarahamonina sivily. Manana solontena any amin’ny distrika sy ny kaominina ny ONG mpikambana ao amin’ny Vo­vonana Hina. Hiditra amin’ny fanasaziana ny mpivarotra avy eo.
Nahazo vahana tato ho ato ny fivarotana ny sakafo fanafody eny amin’ny tsena sy ny tambajotra ka tsy tonga any amin’ireo zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika tena mila azy. Ataon’ny ankizy salama fanampin-tsakafo ilay fanafody satria misy mivarotra eny akaikin’ny sekoly. 40% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka raha 8% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika eto amintsika.

Vonjy A.

Partager sur: