Tetikasa BATAN: nahazo 9 miliara Ar ny minisiteran’ ny Tontolo iainana

Hampiroborobo ny toekaren’ny mponina sy hanampy amin’ny fiarovana ny ala honko ny tetikasa Batan, hatao ao amin’ny faritra Diana. Mahatratra hatramin’ny 9 miliara Ar ny vola hamatsian’ny Agence française de développement ity tetikasa ity.

Notanterahina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Toekare­na sy ny fitantanam-bola ny tetikasa Batan. Tetikasa ha­namafisana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ala honko ao amin’ny faritra Diana. Hiara-hisalahy ha­na­tanteraka izany ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana ma­haritra. Mitentina 9 miliara Ar na koa 2 millions d’euros kosa ny vola hamatsiana ity tetikasa ity. Vola azo avy amin’ny Agence française de dé­veloppement (AFD).
Natao hiarovana ny fi­trandrahana tsy ara-drariny ny harena an-dranomasina ity tetiksa ity. Ary koa ho fitantanana ny tontolo iainana maharitra ao amin’ny helodrano (baie) Ambaro, Tsimipaiky sy Ampasin­dra­vana ary ireo vondro-nosy (archipel) ao Nosy Be. Araka izany, “miisa 21 ireo vondron’olona ifotony hisitraka ny tetikasa. Maha­tratra 2.500 isa kosa ireo tokantrano hahazo izany ho­entina mampiroborobo ny fa­ripianany sy ny fitrandrahana ny harena voajanahary azo avy amin’ny ala honko”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, Vina Marie Orléa.

Hetsika ara-toekarena

Mahatratra 21.000ha ny toerana voakasiky ny tetikasa ka hampiroborobo ny toekaren’ny mponina ao an-toerana. Voatanisa ao anatin’izany ny sehatry ny jono maharitra mba ho tombon­tsoan’ny besinimaro. Eo ihany koa ny fitantanana maharitra sy ny famerenana indray ny ala honko. Ary ny fanaovana hetsika samihafa ho fampivoarana ny sehatry ny jono, ny fizahantany ary ny fambolena honko ao Nosy Be sy ireo nosikely manodidina azy.

Henintsoa Hani

Partager sur: