1 hetsy Ar ny fonosana iray…: mpivady mpamatsy Rôrô tratra

Hatolotra ny fampanoavana anio ireto mpivady mpanao trafikana héroïne na “Rôrô” ireto. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) no nahasambotra azy ireo teny Antoho­madinika, afakomaly. Voaro­hirohy ho tompon’antoka amin’ny fanapariahana zava-mahadomelina mahery vaika amin’iny faritra 67 ha sy Antohomadinika iny izy mi­vady ireto. Mitohy hatrany ny famongorana ireo olon-dratsy minia manaparitaka ity zava-mahadomelina ity. Nahitam-bokany izany ka niafara ta­min’ny fahatrarana azy mivady ireto. Rôrô 12 fonosana (milanja 4,70 grama) indray tratra tao an-tranon’izy ireo. Araka ny fanadihadiana na­taon’ny polisy, amidiny 1 hetsy Ar ny fonosana iray ary iny fonosana iray iny indray avy eo no zarazarain’izy ireo folo fonosana vao amidy. Nilaza izy ireo nandritra ny famotorana fa anisan’ny mpamatsy eny 67 ha sy Antoho­madinika. Maro rahateo ireo mpanjifany amin’iny faritra iny.

Jean Claude

Partager sur: